๋กœ๊ทธ์ธ

๊ฐˆ๋ผ๋””์•„์„œ 1์žฅ Baiboly Malagasy (1865)

๋ฐ”์šธ์„œ์‹  ยท Galatians ยท Baiboly Malagasy (1865) ยท 24์ ˆ

์ ˆ ๋ณด๊ธฐ

๋ฐ”์šธ์ด ๊ฐˆ๋ผ๋””์•„ ๊ตํšŒ๋“ค์— ๋ณด๋‚ธ ํŽธ์ง€์˜ ์ฒซ ์žฅ์ด๋‹ค. ์ธ์‚ฌ ๋’ค ๊ณง๋ฐ”๋กœ '๋‹ค๋ฅธ ๋ณต์Œ'์œผ๋กœ ๋Œ์•„์„  ๊ต์ธ๋“ค์„ ๊พธ์ง–๊ณ , ์ž์‹ ์˜ ์‚ฌ๋„์ง๊ณผ ๋ณต์Œ์ด ์‚ฌ๋žŒ์ด ์•„๋‹Œ ์˜ˆ์ˆ˜ ๊ทธ๋ฆฌ์Šค๋„์˜ ๊ณ„์‹œ์—์„œ ์™”์Œ์„ ํšŒ์‹ฌ ์ดํ›„์˜ ํ–‰์ ์œผ๋กœ ๋ณ€ํ˜ธํ•œ๋‹ค.

์ ˆ ๋ฐ”๋กœ๊ฐ€๊ธฐ

1๊ฐˆ๋ผ๋””์•„์„œ ยท Baiboly Malagasy (1865)
1Paoly Apostoly โ€• tsy avy taminโ€™ olona, na taminโ€™ ny alalanโ€™ olona, fa taminโ€™ ny alalanโ€™ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy taminโ€™ ny maty โ€•
2mbaminโ€™ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atแปณ Galatia:
3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy aminโ€™ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika aminโ€™ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitraponโ€™ Andriamanitra Raintsika;
5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
6Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala aminโ€™ izay efa niantso anareo taminโ€™ ny fahasoavanโ€™ i Kristy ho aminโ€™ ny filazantsara hafa,
7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaranโ€™ i Kristy.
8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. ํ•ด์„ค
9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka aminโ€™ olona aho? Raha mbola mila sitraka aminโ€™ olona aho, dia tsy mpanomponโ€™ i Kristy.
11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny aminโ€™ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaonโ€™ ny olona izany.
12Fa izaho tsy nandray azy taminโ€™ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa taminโ€™ ny fanambaranโ€™ i Jesosy Kristy ihany.
13Fa efa renareo ny toetro fahiny taminโ€™ ny fivavahanโ€™ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonanโ€™ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
14ary nandroso taminโ€™ ny fivavahanโ€™ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo aminโ€™ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15Fa raha sitrakโ€™ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibonโ€™ ineny ny niantso ahy taminโ€™ ny fahasoavany, ํ•ด์„ค
16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any aminโ€™ ny jentilisa, niaraka taminโ€™ izay dia tsy naka saina taminโ€™ ny nofo aman-drร  aho,
17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any aminโ€™ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy anโ€™ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambinโ€™ ny folo andro.
19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahinโ€™ ny Tompo.
20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehanโ€™ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21Rehefa afaka izany, dia tonga tany aminโ€™ ny tany Syria sy Kilikia aho;
22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao aminโ€™ i Kristy, ny tarehiko.
23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
24Ary dia nankalazany anโ€™ Andriamanitra aho.

Baiboly Malagasy (1865)
์ ˆ์„ ๋ˆ„๋ฅด๋ฉด ๋ณต์‚ฌยท๊ณต์œ ยทํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจ๋ฅผ ์“ธ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„  ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ ๋ฌธ์„œ๋กœ ์ด์–ด์ง‘๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์— 24์ ˆ
1 / 6์žฅ

๋ณธ๋ฌธ์€ Baiboly Malagasy (1865)(๋ง๋ผ๊ฐ€์‹œ์–ด) โ€” getbible.net(CrossWire SWORD ๋ชจ๋“ˆ)์—์„œ ๊ฐ€์ ธ์˜ด ยท ๋ผ์ด์„ ์Šค: ๊ณต๊ฐœ ๋„๋ฉ”์ธ (Public Domain) ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ํŒ๊ณผ ์ƒ๊ด€์—†์ด ๊ฐ™์€ ์žฅ์— ํ•จ๊ป˜ ๋‚จ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„ ์ด ๊ทธ์–ด์ง„ ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ์— ๋ฌธ์„œ๊ฐ€ ์žˆ๋Š” ์ธ๋ฌผยท์ง€๋ช…ยท์šฉ์–ด์ž…๋‹ˆ๋‹ค(ํ•œ ํ™”๋ฉด์— ํ•œ ๋ฒˆ์”ฉ๋งŒ ํ‘œ์‹œ). ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ์ด ๋ธŒ๋ผ์šฐ์ €์—๋งŒ ์ €์žฅ๋˜๋ฉฐ ๋‚ด ํ‘œ์‹œ์—์„œ ๋ชจ์•„ ๋ณผ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์˜ ๊ตฌ์ ˆ ํ•ด์„ค ๋ฌธ์„œ 2

์ด ์žฅ์„ ์–ธ๊ธ‰ํ•œ ๋ฌธ์„œ

๋” ๋ณด๊ธฐ