1Petera, Apostolinโ i Jesosy Kristy, mamangy ny mpivahiny monina any am-pielezana any Ponto, Galatia, Kapadokia, Asia sy Bitynia, dia olom-boafidyํด์ค
2araka ny fahalalana rahateo, izay anโ Andriamanitra Ray, aminโ ny fanamasinanโ ny Fanahy, ho aminโ ny fanarahana sy ny famafazanโ ny ranโ i Jesosy Kristy: hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
3Isaorana anie Andriamanitra, Rainโ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny habenโ ny famindram-pony ho aminโ ny fanantenana velona taminโ ny nitsangananโ i Jesosy Kristy taminโ ny maty,
4ho aminโ ny lova tsy mety simba, tsy misy loto, tsy mety levona, voatahiry any an-danitra ho anareo,
5izay arovanโ ny herinโ Andriamanitra aminโ ny finoana ho aminโ ny famonjena efa vonona haseho any am-parany.
6Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny aminโ ny fakam-panahy maro samy hafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany,
7mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra taminโ ny afo aza), dia aminโ ny hisehoanโ i Jesosy Kristy;
8Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo aminโ ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra,
9mandray ny antonโ ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.
10Ny aminโ izany famonjena izany dia notadiavinโ ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo;
11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroinโ ny Fanahinโ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalianโ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
12Ary naseho taminโ ireo fa tsy ho azy, fa ho anareo no nanompoany ny aminโ izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, taminโ ny teninโ ireo nitory ny filazantsara taminareo aminโ ny Fanahy Masรฌna, Izay nirahina avy tany an-danitra; izany zavatra izany dia tianโ ny anjely hodinihina.
13Koa aminโ izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo aminโ ny hisehoanโ i Jesosy Kristy;
14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny taminโ ny tsi-fahalalanareo;
15fa araka ny fahamasinanโ ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masรฌna koa ianareo aminโ ny fitondran-tena rehetra,
17Ary raha Ilay tsy mizaha tavanโ olona, fa mitsara araka ny asanโ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrร tena aminโ ny fahatahorana mandritra ny andronโ ny fivahinianareo etแปณ;
18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo taminโ ny fitondran-tena adala, izay azonareo taminโ ny nentin-drazana,ํด์ค
19fa ny rร soanโ i Kristy, toy ny ranโ ny zanakโ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenanโ izao tontolo izao, fa efa naseho taminโ izao andro farany izao noho ny aminareo
21Izay mino anโ Andriamanitra aminโ ny alalany, dia Ilay nanangana Azy taminโ ny maty ka nanome voninahitra Azy,โ mba hiorenanโ ny finoanareo sy ny fanantenanareo aminโ Andriamanitra.
22Satria efa nodiovinareo ny fanahinareo taminโ ny fanarahana ny fahamarinana ho aminโ ny fitiavan-drahalahy tsy miangatra dia mifankatiava fatratra aminโ ny fo;
23fa efa teraka indray ianareo, tsy taminโ ny voa mety ho lรฒ, fa taminโ ny tsy mety ho lรฒ, dia ny teninโ Andriamanitra, izay velona sady maharitra.ํด์ค
24Fa โny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny voninโ ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;
25Fa ny teninโ ny Tompo maharitra mandrakizayโ. Ary izany no teninโ ny filazantsara izay notorina taminareo.