๋กœ๊ทธ์ธ

์˜ˆ๋ ˆ๋ฏธ์•ผ 1์žฅ Baiboly Malagasy (1865)

๋Œ€์„ ์ง€์„œ ยท Jeremiah ยท Baiboly Malagasy (1865) ยท 19์ ˆ

์ ˆ ๋ณด๊ธฐ

์˜ˆ๋ ˆ๋ฏธ์•ผ 1์žฅ์€ ์˜ˆ๋ ˆ๋ฏธ์•ผ์„œ์˜ ์ฒซ ์žฅ์ด๋‹ค. ์ฑ…์˜ ํ‘œ์ œ์™€ ์˜ˆ๋ ˆ๋ฏธ์•ผ๊ฐ€ ์˜ˆ์–ธ์ž๋กœ ๋ถ€๋ฆ„๋ฐ›๋Š” ์†Œ๋ช… ๊ธฐ์‚ฌ, ์‚ด๊ตฌ๋‚˜๋ฌด ๊ฐ€์ง€์™€ ๋“๋Š” ๊ฐ€๋งˆ ๋‘ ํ™˜์ƒ์„ ๋‹ด๊ณ  ์žˆ๋‹ค.

์ ˆ ๋ฐ”๋กœ๊ฐ€๊ธฐ

1์˜ˆ๋ ˆ๋ฏธ์•ผ ยท Baiboly Malagasy (1865)
1Ny teninโ€™ i Jeremia, zanakโ€™ i Hilkia, isanโ€™ ny mpisorona tao Anatota, taminโ€™ ny taninโ€™ ny Benjamina,
2izay nanambarana ny teninโ€™ i Jehovah taminโ€™ ny andronโ€™ i Josia, zanakโ€™ i Amona, mpanjakanโ€™ ny Joda, taminโ€™ ny taona fahatelo ambinโ€™ ny folo nanjakany,
3sy taminโ€™ ny andronโ€™ i Joiakima, zanakโ€™ i Josia, mpanjakanโ€™ ny Joda koa, ka hatraminโ€™ ny faranโ€™ ny taona fahiraika ambinโ€™ ny folo nanjakanโ€™ i Zedekia, zanakโ€™ i Josia, mpanjakanโ€™ ny Joda, dia hatraminโ€™ ny namaboana anโ€™ i Jerosalema taminโ€™ ny volana fahadimy.
4Tonga tamiko ny teninโ€™ i Jehovah nanao hoe:
5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho anโ€™ ny firenena. ํ•ด์„ค
6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo รด! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. ํ•ด์„ค
7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha aminโ€™ izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
8Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
9Dia naninjitra ny tร nany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana aminโ€™ ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
11Ary tonga tamiko indray ny teninโ€™ i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.
12Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
13Ary tonga tamiko fanindroany indray ny teninโ€™ i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
14Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra aminโ€™ ny tany.
15Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra aminโ€™ ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloanโ€™ ny vavahadinโ€™ i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanร na rehetra any Joda.
16Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho anโ€™ ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehanโ€™ ny asanโ€™ ny tร nany.
17Fa ianao kosa dia misikรฌna, ary miomร na, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
18Indro, Izaho hanao anao ho tanร na mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leonโ€™ ny tany rehetra, na ny mpanjakanโ€™ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
19Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.

Baiboly Malagasy (1865)
์ ˆ์„ ๋ˆ„๋ฅด๋ฉด ๋ณต์‚ฌยท๊ณต์œ ยทํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจ๋ฅผ ์“ธ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„  ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ ๋ฌธ์„œ๋กœ ์ด์–ด์ง‘๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์— 19์ ˆ
1 / 52์žฅ

๋ณธ๋ฌธ์€ Baiboly Malagasy (1865)(๋ง๋ผ๊ฐ€์‹œ์–ด) โ€” getbible.net(CrossWire SWORD ๋ชจ๋“ˆ)์—์„œ ๊ฐ€์ ธ์˜ด ยท ๋ผ์ด์„ ์Šค: ๊ณต๊ฐœ ๋„๋ฉ”์ธ (Public Domain) ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ํŒ๊ณผ ์ƒ๊ด€์—†์ด ๊ฐ™์€ ์žฅ์— ํ•จ๊ป˜ ๋‚จ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„ ์ด ๊ทธ์–ด์ง„ ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ์— ๋ฌธ์„œ๊ฐ€ ์žˆ๋Š” ์ธ๋ฌผยท์ง€๋ช…ยท์šฉ์–ด์ž…๋‹ˆ๋‹ค(ํ•œ ํ™”๋ฉด์— ํ•œ ๋ฒˆ์”ฉ๋งŒ ํ‘œ์‹œ). ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ์ด ๋ธŒ๋ผ์šฐ์ €์—๋งŒ ์ €์žฅ๋˜๋ฉฐ ๋‚ด ํ‘œ์‹œ์—์„œ ๋ชจ์•„ ๋ณผ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์˜ ๊ตฌ์ ˆ ํ•ด์„ค ๋ฌธ์„œ 2

์ด ์žฅ์„ ์–ธ๊ธ‰ํ•œ ๋ฌธ์„œ

๋” ๋ณด๊ธฐ