๋กœ๊ทธ์ธ

์ „๋„์„œ 1์žฅ Baiboly Malagasy (1865)

์‹œ๊ฐ€์„œ ยท Ecclesiastes ยท Baiboly Malagasy (1865) ยท 18์ ˆ

์ ˆ ๋ณด๊ธฐ

์ „๋„์„œ 1์žฅ์€ ์ „๋„์„œ์˜ ์ฒซ ์žฅ์œผ๋กœ, "ํ—›๋˜๊ณ  ํ—›๋˜๋ฉฐ ๋ชจ๋“  ๊ฒƒ์ด ํ—›๋˜๋„๋‹ค"๋ผ๋Š” ์ฃผ์ œ๋ฅผ ์„ ์–ธํ•˜๊ณ  ์ž์—ฐ๊ณผ ์—ญ์‚ฌ์˜ ๋์—†๋Š” ๋ฐ˜๋ณต, ์ง€ํ˜œ ์ถ”๊ตฌ์˜ ํ•œ๊ณ„๋ฅผ ๋งํ•œ๋‹ค.

์ ˆ ๋ฐ”๋กœ๊ฐ€๊ธฐ

1์ „๋„์„œ ยท Baiboly Malagasy (1865)
1Ny teninโ€™ i Mpitoriteny, zanakโ€™ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
2Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! ํ•ด์„ค
3Inona no soa azonโ€™ ny olona aminโ€™ ny fisasarany rehetra izay isasarany atแปณ ambaninโ€™ ny masoandro?
4Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
5Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any aminโ€™ ny fitoerana izay niposahany.
6Mianatsimo ny rivotra, dia mihodรฌna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
7Ny renirano rehetra dia samy mankaminโ€™ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any aminโ€™ izay falehanโ€™ ny renirano ihany no iverenany indray.
8Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.
9Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atแปณ ambaninโ€™ ny masoandro.
10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany aminโ€™ ny andro talohantsika ihany izany.
11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovanโ€™ izay handimby azy.
12Izaho Mpitoriteny dia mpanjakanโ€™ ny Isiraely tany Jerosalema;
13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atแปณ ambaninโ€™ ny lanitra; asa mahareraka omenโ€™ Andriamanitra hisasaranโ€™ ny zanakโ€™ olombelona izany.
14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atแปณ ambaninโ€™ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
16Hoy izaho taminโ€™ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

Baiboly Malagasy (1865)
์ ˆ์„ ๋ˆ„๋ฅด๋ฉด ๋ณต์‚ฌยท๊ณต์œ ยทํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจ๋ฅผ ์“ธ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„  ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ ๋ฌธ์„œ๋กœ ์ด์–ด์ง‘๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์— 18์ ˆ
1 / 12์žฅ

๋ณธ๋ฌธ์€ Baiboly Malagasy (1865)(๋ง๋ผ๊ฐ€์‹œ์–ด) โ€” getbible.net(CrossWire SWORD ๋ชจ๋“ˆ)์—์„œ ๊ฐ€์ ธ์˜ด ยท ๋ผ์ด์„ ์Šค: ๊ณต๊ฐœ ๋„๋ฉ”์ธ (Public Domain) ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ํŒ๊ณผ ์ƒ๊ด€์—†์ด ๊ฐ™์€ ์žฅ์— ํ•จ๊ป˜ ๋‚จ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„ ์ด ๊ทธ์–ด์ง„ ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ์— ๋ฌธ์„œ๊ฐ€ ์žˆ๋Š” ์ธ๋ฌผยท์ง€๋ช…ยท์šฉ์–ด์ž…๋‹ˆ๋‹ค(ํ•œ ํ™”๋ฉด์— ํ•œ ๋ฒˆ์”ฉ๋งŒ ํ‘œ์‹œ). ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ์ด ๋ธŒ๋ผ์šฐ์ €์—๋งŒ ์ €์žฅ๋˜๋ฉฐ ๋‚ด ํ‘œ์‹œ์—์„œ ๋ชจ์•„ ๋ณผ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์˜ ๊ตฌ์ ˆ ํ•ด์„ค ๋ฌธ์„œ 1

์ด ์žฅ์„ ์–ธ๊ธ‰ํ•œ ๋ฌธ์„œ

๋” ๋ณด๊ธฐ