๋กœ๊ทธ์ธ

ํžˆ๋ธŒ๋ฆฌ์„œ 1์žฅ Baiboly Malagasy (1865)

์ผ๋ฐ˜์„œ์‹  ยท Hebrews ยท Baiboly Malagasy (1865) ยท 14์ ˆ

์ ˆ ๋ณด๊ธฐ

ํžˆ๋ธŒ๋ฆฌ์„œ์˜ ์ฒซ ์žฅ. ํ•˜๋‚˜๋‹˜์ด ๋งˆ์ง€๋ง‰ ๋‚ ์— ์•„๋“ค๋กœ ๋ง์”€ํ•˜์…จ๋‹ค๊ณ  ์„ ์–ธํ•˜๊ณ , ์‹œํŽธ ๋“ฑ ๊ตฌ์•ฝ ์ธ์šฉ์„ ์—ฎ์–ด ์•„๋“ค์ด ์ฒœ์‚ฌ๋ณด๋‹ค ๋›ฐ์–ด๋‚จ์„ ๋ณด์—ฌ ์ค€๋‹ค.

์ ˆ ๋ฐ”๋กœ๊ฐ€๊ธฐ

1ํžˆ๋ธŒ๋ฆฌ์„œ ยท Baiboly Malagasy (1865)
1Rehefa nampiteneninโ€™ Andriamanitra taminโ€™ ny razana fahiny ny mpaminany taminโ€™ ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; ํ•ด์„ค
2dia aminโ€™ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,
3Izy koa no famirapiratanโ€™ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra aminโ€™ ny herinโ€™ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo aminโ€™ ny tanana ankavananโ€™ ny Lehibe any aminโ€™ ny avo
4ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny.
5Fa anjely iza no mba nilazany hoe: โ€œZanako Hianao, Izaho niteraka Anao androanyโ€?. Ary koa: โ€œIzaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanakoโ€?
6Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho aminโ€™ izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: โ€œAry aoka ny anjelinโ€™ Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloanyโ€.
7Ary ny anjely dia ilazany hoe: โ€œIzy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafoโ€.
8Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: โ€œNy seza fiandriananao, Andriamanitra รด, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao;
9Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao Mihoatra noho ny namanaoโ€.
10Ary izao koa: โ€œHianao, Jehovah รด, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asanโ€™ ny tananao ny lanitra; ํ•ด์„ค
11Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana,
12Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitraโ€.
13Fa anjely iza no mba nilazany hoe: โ€œMipetraha eo an-tanako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotraoโ€?
14Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho anโ€™ izay handova famonjena?

Baiboly Malagasy (1865)
์ ˆ์„ ๋ˆ„๋ฅด๋ฉด ๋ณต์‚ฌยท๊ณต์œ ยทํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจ๋ฅผ ์“ธ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„  ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ ๋ฌธ์„œ๋กœ ์ด์–ด์ง‘๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์— 14์ ˆ
1 / 13์žฅ

๋ณธ๋ฌธ์€ Baiboly Malagasy (1865)(๋ง๋ผ๊ฐ€์‹œ์–ด) โ€” getbible.net(CrossWire SWORD ๋ชจ๋“ˆ)์—์„œ ๊ฐ€์ ธ์˜ด ยท ๋ผ์ด์„ ์Šค: ๊ณต๊ฐœ ๋„๋ฉ”์ธ (Public Domain) ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ํŒ๊ณผ ์ƒ๊ด€์—†์ด ๊ฐ™์€ ์žฅ์— ํ•จ๊ป˜ ๋‚จ์Šต๋‹ˆ๋‹ค. ์ ์„ ์ด ๊ทธ์–ด์ง„ ๋‚ฑ๋ง์€ ๊ตํšŒ๋ฐฑ๊ณผ์— ๋ฌธ์„œ๊ฐ€ ์žˆ๋Š” ์ธ๋ฌผยท์ง€๋ช…ยท์šฉ์–ด์ž…๋‹ˆ๋‹ค(ํ•œ ํ™”๋ฉด์— ํ•œ ๋ฒˆ์”ฉ๋งŒ ํ‘œ์‹œ). ํ˜•๊ด‘ํŽœยท๋ฉ”๋ชจยท์ฝ์€ ํ‘œ์‹œ๋Š” ์ด ๋ธŒ๋ผ์šฐ์ €์—๋งŒ ์ €์žฅ๋˜๋ฉฐ ๋‚ด ํ‘œ์‹œ์—์„œ ๋ชจ์•„ ๋ณผ ์ˆ˜ ์žˆ์Šต๋‹ˆ๋‹ค.

์ด ์žฅ์˜ ๊ตฌ์ ˆ ํ•ด์„ค ๋ฌธ์„œ 2

์ด ์žฅ์„ ์–ธ๊ธ‰ํ•œ ๋ฌธ์„œ

๋” ๋ณด๊ธฐ